Ny Malagasy sy ny Fotoana

Ity lahatsoratra ity dia navoaka tao amin'ny Serasera, efa tany amin'ny taona 1999

Indray mandeha dia nisy namana nanamarika ny amin'ny fahatsapan'ny Malagasy ny fotoana (notion de temps): "raha hilaza ny HO AVY isika, dia hiteny hoe ANY AORIANA ANY". Nisy namana iray hafa koa nanondro ny maha-mitamberina ("cyclique") ny fotoana amintsika Malagasy.

Variana aho mantsy, amin'izao fotoanan'ny fety izao, rehefa mirary soa isika dia milaza hoe "tratry ny Noely". Nisy namana iray izay nanao kivalavala, ary nilaza fa ny dikan'izany amin'ny teny frantsay io dia hoe: "attrapE par Noel". Ka toa manao fanenjika angamba ity fiainana ity amintsika ? Koa rehefa "tratran'i Noel" dia ... "arahabaina fa... boka eee". Nefa toa tsy mety "boka" mihintsy indray ny tenabe fa i Rafotoana foana no toa boka eo.

Ny kisarisary ato an-tsaiko izao dia toa ny hoe:

Mipetraka mitorevaka isika rehetra mijery ny "fotoana" mikororosa ("defiler") manoloana antsika. "Any aoriana any", avy any amin'ny ankavia ary "ho avy" eo, i Noel, i Y2K. Ary efa "lasa" any amin'ny ankavanana any, any ankoatra ny bonga any, i "Ririnina-lasa-tsy-tsaroana".

Ka inona no vokatr'izany?

1- izay angamba ilay mahatonga ny "fotoan-gasy" sy ny "moramora"?
Inona moa no mahamaika fa "ho avy" ary ho "tratran'ny fotoana" eo foana ihany isika. Vokabolary ny "manenjika fotoana" fa toa ho sampona ny hizaha hiverina any ankavia na handeha hiamboho ("a reculons").

2- izay angamba no hanazavana ny "miandry-mahazo" Malagasy (passivité)?
Ka efa ho "tratra" sy "ho avy" amintsika eo ihany ny "ariary-zato", ka inona no hikoropahana sy hialana avy ato amin'ny fandria-mafana?

Tombatombana avy ato amin'ny fandria-mafana ny ahy (ahitsio raha diso) fa mampieritreritra ahy ihany ny fitarafako ny tsinay-mainty sy ati-taolan-tsika Malagasy avy amin'ny teny tsotra ampiasaina andavanandro...

Ity moa mety azo ampifandraisana ny ilàna manao "jery kiana" amintsika Malagasy hoe: inona no hitarafantsika ny toetrantsika Malagasy ankehitrio izao, ny tsara sy ny ratsy, avy amin'ny
- fomba fisainana sy fiainan'ny Malagasy izay nifandovana ("originel"),
- ny vokatry ny kristianisma sy ny asan'ny frantsay,
- ny sosialisma sy ny globalization, sns...

No comments:

Post a Comment